Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 17, 5-10)

Ho voaozona ny olona mitoky amin’olombelona; fa hohasoavina izay mitoky amin’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny,
ary miala amin’ny Tompo ny fony!
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,
any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo,
sy manantena ny Tompo ho tokiny!
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,
mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha;
tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro,
sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy,
ary tsy mitsahatra ny mamoa.

Mamitaka mihoatra ny zavatra rehetra ny fo,
sady simba: iza no hahalala azy?
Izaho Tompo izay mandinika ny fo,
sy mamantatra ny voa;
ary ny hanaovako izany,
dia mba hamaly ny olona araka ny lalany,
sy araka ny vokatry ny asany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 1, 1-2. 3. 4 sy 6)

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalàn’ny Tompo no sitrany:
ny lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra.
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

Ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana; koa ankehitriny, mba azy ny fanalana alahelo fa anao ny fijaliana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe:

“Nisy mpanankarena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika,
sady nanao fihinanam-be isan’andro.
Ary nisy koa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara
nivalandòtra teo am-bavahadiny.
Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena izy,
fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny.
Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny anjely tany an-tratran’i Abrahama;
dia maty koa ilay mpanankarena ka nalevina.
Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra,
ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany,
ka niantso izy nanao hoe:

‘Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko,
mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano
mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay,
fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.’

Fa hoy i Abrahama taminy:

‘Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao,
ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana:
koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana.
Sady amin’ireto toerantsika ireto,
dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika,
ka izay te-hiala aty hankany aminareo tsy afaka;
ary izay eny kosa tsy afaka miampita aty.’

Dia hoy izy:

‘Mihanta aminao re aho, ry kiaky,
mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko
(fa manan-drahalahy dimy aho),
mba hilaza aminy ny marina,
fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.’

Fa hoy i Abrahama taminy:

‘Manana an’i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo,
ka aoka hihaino an’ireo izy.’

Fa hoy izy:

‘Tsia re, ry kiaky Abrahama ô!
fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy,
dia hibebaka izy.’

Fa hoy i Abrahama taminy:

‘Raha tsy mihaino an’i Môizy sy ny Mpaminany izy,
dia tsy hino na dia misy mitsangan-ko velona aza.’”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 18, 18-20)

Andeha hamely azy isika.

Hoy ireo olon-dratsy:

“Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika,
fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona,
na ny hevitra ao amin’ny hendry,
na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany!
Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy,
ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.”

Atongilano amiko ny sofinao, ry Tompo,
ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!
Dia ratsy va no havaly ny soa,
no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo?
Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,
hiteny aminao mba ho azy ireo,
hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 30, 5-6. 14. 15-16)

Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaram-ponao.

Tsoahy amin’ny harato nafenina aho,
fa Ianao no heriko!
Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra.

Henoko ny vavan’ny maro,
ka horohoro hatraiza hatraiza!
Miara-mioko izy hahavoa,
mifofo hanala ny aiko.

Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao!
Hoy aho hoe: “Andriamanitro Ianao”,
eo an-tananao ny androko,
afaho amin’ny fahavalo sy mpanenjika aho!

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)

Ary ireo hanameloka Azy ho faty.

Tamin’izany andro izany,
raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy
ka nilazany hoe:

“Indro miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna,
ary ireo hanameloka Azy ho faty,
ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny
ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana;
fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.”

Ary tamin’izany nanatona Azy
ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy,
ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Inona no irìnao?”

Dia hoy izy:

“Aoka ireto zanako roa lahy ireto
mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray
ary eo ankavianao ny anankiray,
ao amin’ny Fanjakanao.”

Dia hoy ny famalin’i Jesoa:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo.
Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?”

Hoy ireo taminy:

“Efanay ihany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa;
fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome anareo izany,
fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.”

Ary nony nandre izany izy folo lahy
dia tezitra tamin’izy mirahalahy.
Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo,
ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy,
ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo;
fa izay te-ho lehibe aminareo kosa,
no aoka ho mpanompo anareo izy,
ary izay te-ho lohany aminareo,
no aoka ho mpanomponareo:
dia tahaka ny Zanak’Olona izany:
fa Izy tsy tonga mba hotompoina
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy
ho fanavotana ny maro.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 1, 10. 16-20)

Mianara manao soa, katsaho ny rariny.

Mihainoa ny tenin’ny Tompo, ry mpitsaran’i Sôdôma,
mitongilàna sofina amin’ny lalàn’Andriamanitsika, ry vahoakan’i Gômôra:

“Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko;
mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa;
katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory,
omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondra tena.
Avia, hiara-mifandahatra isika.
Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo,
hanjary fotsy hoatra ny oram-panala;
na mena hoatra ny jaky aza izy,
ho tonga toy ny volon’ondry.
Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo,
dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo.
Fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo,
dia ho levon’ny sabatra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23)

Izay mahitsy fandeha hanehoan’Andriamanitra ny vonjiny.

Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao:
na ny sorona dorana izay anoloako lalandava!
Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao,
na izay osilahy ao am-pahitrao?

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko,
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra
sy mpanipy ny teniko any ivoho.

Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho?
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Izay misorona saotra no hasaiko ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy ireo fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny ipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany
no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety hatao hoe mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 9, 4b-10)

Efa nanota izahay, ary nahavita heloka.

Izaho Daniely
niaiky heloka tamin’ny Tompo Andriamanitro nanao hoe:

“Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra,
mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao,
izahay efa nanota sy nahavita heloka,
nanao ratsy sy niodina niala tamin’ny didinao aman-dalànao.
Tsy nihaino ny mpaminany mpanomponao,
izay niteny tamin’ny Anaranao tamin’ny mpanjakanay ama-mpitondra anay
sy tamin’ny razanay mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany.
Anao ny fahamarinana, Tompo ô,
fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin’izao anio izao no anay,
dia an’ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy i Israely rehetra,
na ny akaiky na ny lavitra, any amin’ny tany rehetra nandroahanao azy,
noho ny helony izay nataony taminao.
Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava,
an’ny mpanjakanay, an’ny mpitondra anay, an’ny razanay,
satria nanota taminao izahay.
Fa an’ny Tompo Andriamanitra kosa ny famindram-po amam-pamelan-keloka,
satria niodina taminao izahay.
Tsy nanaiky ny feon’ny Tompo Andriamanitray izahay,
mba hanarahanay ny lalany nataony teo anoloanay
tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 78, 8. 9. 11. 13)

Tompo ô, aza valiana araka ny ota nataonay izahay.

Aza dia tsarovana hamelezana anay
ireo helokay fahiny,
ny indrafonao atsena anay faingana:
fa reraka loatra izahay!

Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy:
noho ny voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay:
noho ny Anaranao!

Aoka ho tody eo anoloanao
ny senton’ireo mpigadra!
Araka ny halehiben’ny sandrinao,
afaho ireo voatondro hovonoina!

Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao
dia hisaotra Anao mandrakizay,
ary hitanisa ny fiderana Anao.

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 36-38)

Mamindrà fo tahaka ny amindrana fo aminareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo,
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza, dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...