Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan 3, 14-20. 91-92. 95)

Naniraka ny Anjeliny Izy ary nanafaka ny mpanompony.

Tamin’izany andro izany,
niteny i Nabodôkônôzôra mpanjaka, ka nanao hoe:

“Fanahy inianareo va, ry Sidraka, Misaka ary Abdenegao,
no tsy anompoanareo ny andriamanitro
sy tsy itsaohanareo ny sariolona volamena natsangako?
Ankehitriny,
moa vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko ianareo,
raha vao mandre ny feon’ny anjomara,
ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara
mbamin’ny zava-maneno isan-karazany?
Fa raha tsy mitsaoka azy ianareo,
dia hatsipy miaraka amin’izay ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay,
ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako?”

Fa namaly i Sidraka sy i Misaka ary i Abdenegao,
ka nanao hoe:

“Ry Nabokôdônôzôra ô,
tsy misy tokony havalinay anao.
Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tompoinay,
dia hovonjeny amin’ny memy mirehitra afo mivaivay
sy amin’ny tananao izahay, ry mpanjaka ô!
Ary na tsy hataony aza izany,
aoka ho fantatrao, ry mpanjaka,
fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay,
na hiankohoka eo anatrehan’izay sariolona volamena natsanganao!”

Dia feno hatezerana i Nabokôdônôzôra,
ary niova tamin’i Sidraka sy i Misaka sy i Abdenegao ny tarehiny.
Nanohy niteny indray izy,
ka nasainy nohafanaina ny memy
impito mihoatra noho ny niheveran’ny olona ny tokony hanafanana azy,
ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin’ny tafiny,
no nasainy namatotra an’i Sidraka, i Misaka, i Abdenegao
sy hanipy azy ireo ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay.
Talanjona loatra tamin’izay i Nabokôdônôzôra mpanjaka,
ka nitsangana faingana.
Niteny izy ka nanao amin’ireo mpanolotsainy hoe:

“Tsy olona telo lahy nifatotra va
no natsipintsika tao anatin’ny memy?”

Dia hoy ny navalin’ireo ny mpanjaka:

“Izany tokoa, ry mpanjaka.”

Ary hoy izy niteny indray:

“Izaho anefa,
indreo mahita efa-dahy tsy mifatotra,
mandehandeha ao afovoan’ny afo,
tsy misy maninomaninona akory
ary ny fijery an’ilay fahefatra
hoatra ny zanak’andriamanitra.”

Niteny i Nabokôdônôzôra ka nanao hoe:

“Hisaorana anie
ny Andriamanitr’i Sidraka sy i Misaka sy i Abdenegao,
fa naniraka ny Anjely hamonjy ny mpanompony
izay natoky Azy sy nandika ny didin’ny mpanjaka,
ary nanolo-tena
mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa
afa-tsy ny Andriamanitr’izy ireo ihany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tononkira

(Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56)

Mendrika dera sy laza; isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny Razana.
Fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Isaorana ny Anaranao
fa masina be voninahitra
ka mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra,
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao,
ambony fiketraham-mpanjaka
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao
mahatsinjo ny halalin’ny hantsana,
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao,
mipetraka ambony Kerobima,
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)

Raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nino Azy, nanao hoe:

“Raha mahatana ny teniko ianareo
dia ho mpianatro tokoa,
sady ho fantatrareo ny marina,
ary ny marina no haha-olona afaka anareo.”

Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:

“Taranak’i Abrahama izahay,
ary tsy mba nanompo olona na oviana na oviana,
ka ahoana no ilazanao hoe:
Ho olona afaka ianareo?”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa izay manota dia mpanompon’ny ota.
Ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva
fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.
Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo,
dia ho afaka tokoa ianareo.
Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo,
nefa mitady hamono Ahy ianareo,
satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko.
Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko,
ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo.”

Namaly ireo ka nanao taminy hoe:

“I Abrahama no rainay.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Raha zanak’i Abrahama ianareo
dia hanao ny asan’i Abrahama.
Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny,
dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina
reko tamin’Andriamanitra:
tsy asan’i Abrahama izany.
Ny asan’ny rainareo no ataonareo!”

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay,
ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra.”

Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo:

“Raha Andriamanitra no Rainareo,
dia ho tia Ahy ianareo,
satria Andriamanitra no niaviako,
ary Izy no nahatongavako aty,
fa tsy tonga ho Ahy Aho,
fa Izy no naniraka Ahy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...