Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 10-13)

Momba ahy toy ny lehilahy mahery ny Tompo.

Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

“Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!
Torio izy, andeha hotorintsika izy!”

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko
manao andry maso ny diako:

“Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika,
ka dia hamaly faty azy isika.”

Ny Tompo anefa no momba ahy,
toy ny lehilahy mahery;
ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy,
fa tsy haharesy.
Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy
amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.
Ry Tompon’ny tafika,
Ianao izay mizaha toetra ny marina,
izay mahita ny voa sy ny fo,
hahita ny famalianao an’ireo aho,
fa Ianao no nanankinako ny adiko.
Mihirà ho an’ny Tompo, miderà ny Tompo,
fa manafaka ny fanahin’ny ory
amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 5-6. 7)

Nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitro aho, ka henony ny feoko.

Mamiko Ianao, ry Tompo, izay heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy.
Andriamanitro mpanafaka
sy haram-bato fialofana.

Ampinga sy tandro-pamonjena,
fiarovana avo ho ahy!
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!

Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho;
efa nampihorohoroan’ny riakan’i Beliala;
efa voadiditry ny rohin’ny Seoly;
efa voatsenan’ny haraton’ny fahafatesana!

Ambivitra aho: ka niantso ny Tompo,
nitaraina tamin’ny Andriamanitro.
Henony tany an-Tempoly ny feoko,
tody tao an-tsofiny ny antsoko.

Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)

Nitady hisambotra Azy izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy.

Tamin’izany andro izany,
dia naka vato hitorahana an’i Jesoa ny Jody,
fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Be ny asa soa nasehoko teo taminareo,
avy tamin’ny Ray,
ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?”

Dia hoy ny Jody namaly Azy:

“Tsy ny asa soa no itorahanay Anao,
fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra;
satria olombelona fotsiny Ianao,
nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo:
Hoy Izaho: andriamanitra ianareo?
Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza
antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra,
ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,
ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray
sy nirahiny tety ambonin’ny tany hoe:
miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao
satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?
Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho,
dia aza mino Ahy ianareo;
fa raha manao ihany kosa Aho,
na dia tsy te-hino Ahy aza ianareo,
dia minoa ny asako,
dia ho fantatrareo fa ny Ray ato amiko,
ary Izaho ao amin’ny Ray.”

Tamin’izay, dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo,
fa niala teo an-tanany Izy.
Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany,
amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany,
ka nitoetra tany.
Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe:

“Tsy nanao fahagagana i Joany;
nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy.”

Koa maro no nino Azy teo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...