Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)

“Hanao fanekena vaovao Aho ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany”

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy,
nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rehefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo: —
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:

“Mahalalà ny Tompo”.

Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, — teny marin’ny Tompo. —
Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 50, 3-4. 12-13. 14-15

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho
diovy tokoa amin’ny hadisoako.

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.

Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Dia hatoroko ny meloka ny lalanao
ka hiverina aminao ny mpanota.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 5, 7-9)

Nianatra ny fanekena i Kristy ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay.

I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana,
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)

Raha maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mahavokatra be.

Tamin’izany andro izany,
nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,
nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea,
ka nihanta taminy nanao hoe:

“Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay”.

Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre,
ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.
Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona.
Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy;
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy,
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko,
ka inona re no holazaiko?
Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity.
Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao.
Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”.

Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Efa nomeko voninahitra Izy,
ary mbola homeko voninahitra indray”.

Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe:

“Kotro-baratra izany”;

fa hoy kosa ny sasany hoe:

“Anjely niteny taminy izay”.

Dia hoy i Jesoa hoe:

“Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.
Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao;
ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina.
Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany
dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”.

Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...