Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 10, 34a. 37-43)

Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay rehefa tafatsangan-ko velona Izy.

Nony tonga tany Sezarea i Piera tao an-tranon’i Kôrnely,
dia niloa-bava hoe:

“Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo,
nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorìn’i Joany:
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny,
ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza,
nahasitrana izay rehetra azon’ny demony,
satria nomba Azy Andriamanitra.
Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony
tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema.
Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo;
nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo,
sady nasehony miharihary,
tsy tamin’ny olona rehetra,
fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo,
dia taminay,
izay niara-nihinana sy nisotro taminy,
rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara
fa Izy no voatendrin’Andriamanitra
ho mpitsara ny velona sy ny maty.
Ny Mpaminany rehetra koa manambara
fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay mino Azy famelan-keloka”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 117, 1-2. 16ab-17. 22-23)

Ity ilay andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’i Israely manontolo:

Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.

Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany
zava-mahagaga imasonay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy (Kôl. 3, 1-4)

Ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy no katsaho.

Ry kristianina havana,
raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony,
amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho:
ny zavatra any ambony no ankafizo,
fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo,
ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika,
vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

na:

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 5, 6b-8)

Esory ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo.

Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana
dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo?
Esory re ny lalivay ela,
mba ho vongana vaovao ianareo,
sady efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika.
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety
tsy amin’ny lalivay ela,
na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po,
fa amin’ny mofo tsy misy lalivay,
dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany...

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa fiderana ny Paka

Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.

Aoka hiventy hira fiderana
an’ilay Soron’ny Paka
ny kristianina.

Nifandrafy sy nifamely mafy
ny fahafatesana sy ny fiainana;
maty ilay tompon’ny aina,
fa indro velona sy manjaka izao.

Hono, ry Maria Madelenina,
lazao anay izay hitanao tany an-dalana.

Ny fasan’i Kristy velona no hitako,
sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona,
sy ireo Anjely vavolombelony
ary ny saron-dohany sy ny lamba nifonosany.

Tafatsangana tokoa ilay Kristy fanantenako,
hialoha anareo any Galilea Izy.

Fantatsika fa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy.
Mamindrà fo aminay, ry Mpanjaka nandresy.
Amen. Aleloia.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo.

Aleloia.

(Paka maraina)

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 1-9)

Nitsangan-ko velona i Jesoa.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro,
dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina,
ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera
sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa,
ka nanao tamin’ireo hoe:

“Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo,
ka tsy fantatray izay nametrahany Azy”.

Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray
nankany amin’ny fasana,
ka niara-nihazakazaka izy roa lahy,
saingy nandeha faingampaingana kokoa
ilay mpianatra anankiray,
ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana.
Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo,
nefa tsy niditra.
Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy,
dia niditra tao am-pasana
ka nahita ny lamba nipetraka teo,
sy ny lamba nasarona ny lohany,
tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba
fa nivalona nitokana tery.
Dia niditra koa ilay mpianatra
izay tonga taloha teo amin’ny fasana,
ary nahita ka nino.
Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina
milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

na hoe:

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)

Efa nitsangan-ko velona Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea.

Tamin’ny alin’ny sabata,
raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro,
dia lasa nitsirika ny fasana,
i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.
Ary indro nisy horohoron-tany mafy.
Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray
nidina avy tany an-danitra tonga teo,
nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny.
Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny,
ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.
Ankona ny mpiambina nony nahita izany,
ka nanjary tahaka ny maty.
Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe:

“Aza matahotra ianareo;
fantatro fa mitady an’i Jesoa
Izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo.
Tsy ato Izy,
fa efa nitsangana araka izay nolazainy.
Avia ka jereo,
fa teo no toerana nametrahana ny Tompo.
Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany
fa efa nitsangana avy any amin’ny maty Izy;
ary indro hialoha anareo any Galilea izy,
any no hahitanareo Azy;
izany àry, fa efa nilazako ianareo izay”.

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo,
sady natahotra no faly indrindra,
lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe:

“Arahaba”.

Dia nanatona Azy izy,
ka namihina ny tongony
sy niankohoka teo anatrehany.
Dia hoy i Jesoa taminy:

“Aza matahotra,
fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko,
fa any no hahitany Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

(Paka hariva)

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Mitoera eto aminay fa efa mandrorona ny andro.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany
dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray
atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.
Hoy Izy taminy:

“Inona izato resahinareo ety an-dalana,
no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?”

Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy
ka nanao taminy hoe:

“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”

Fa hoy Izy tamin’ireo:

“Zavatra inona moa izany?”

Dia hoy ireo:

“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny,
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely:
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo
hatramin’ny nisehoan’izany.

Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay
nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy,
nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ry adala sy votsa saina
amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”

Dia novoasany tamin’izy ireo
ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy
ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa
fa notanan’izy ireo nataony hoe:

“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao,
efa mandrorona ny andro”.

Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:

“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika,
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo
ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy
sy ny namany tafavory sady nilaza hoe:

“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”.

Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...