Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 36-41)

Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.

Tamin’ny andro Pantekôty,
dia niteny tamin’ny Jody i Piera nanao hoe:

“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina
fa iny i Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.”

Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:

“Inona àry, ry rahalahy,
no hataonay?”

Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:

“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo,
ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rahefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitra koa.”

Ary nanambara sy namporisika azy
tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:

“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.”

Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo
ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Salamo 32, 4-5. 18-19. 20 sy 22)

Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo,
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany,
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.

Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.

Ny fanahinay manantena ny Tompo.
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)

Nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko.

Tamin’izany andro izany,
nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria.
Ary teo am-pitomaniana,
dia nitanondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy
ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy,
nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny Vatan’i Jesoa,
ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra.
Dia hoy izy ireo taminy:

“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?”

Ka hoy izy namaly ireo:

“Satria nalain’olona ny Tompoko,
ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.”

Nony avy nilaza izany izy dia nitodika,
ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo,
nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?
Iza no tadiavinao?”

Nataony ho mpiandry saha io,
ka hoy izy taminy:

“Raha ianao re no naka Azy, Tompoko,
mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy,
hangalako Azy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ry Maria!”

Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe:

“Rabony”
(izany hoe Mpampianatra).

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Aza mikasika Ahy,
fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho,
fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko,
ka lazao aminy hoe:

Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho,
ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.

Dia lasa i Maria Madelena
ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe:

“Efa nahita ny Tompo aho,
ary izany no nolazainy tamiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...