Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 3, 11-26)

Novonoinareo ilay Tompon’ny aina, fa natsangan’Andriamanitra ho velona.

Tamin’izany andro izany,
noho ilay malemy tongotra sitrana
tsy niala teo amin’i Piera sy i Joany,
dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin’izy ireo
teo amin’ny lavarangan’i Salômôna ka talanjona.
Nony nahita izany i Piera,
dia niteny tamin’ny vahoaka hoe:

“Ry Israelita,
nahoana no gaga amin’izany ianareo,
ary nahoana no mibanjina anay?
Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay
no nampamindra azy io?
Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba,
Andriamanitry ny razantsika,
no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany,
izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty,
na dia nataony halefa aza Izy.
Ny Masina sy ny Marina nolavinareo,
fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.
Ianareo namono ny Tompon’ny aina,
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona,
ary izahay ireto no vavolombelon’izany.
Noho ny finoana ny Anarany
no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io:
eny, ny finoana avy aminy
no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.
Ary ankehitriny, ry havana,
fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany,
toy izany koa ireo mpitondra anareo;
fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa
izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny mpaminany
fa hijaly i Kristy.
Koa mivaloza, ary mibebaha,
mba hovonoina ny helokareo,
ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo,
sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo,
dia i Jesoa Kristy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra
ambarapiavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra,
araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina,
hatramin’ny ela.

Fa hoy i Môizy hoe:

‘Ny Tompo Andriamanitrareo
hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy
avy amin’ny rahalahinareo’;

Izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo,
fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany,
dia haringana tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony.
Ary ny mpaminany rehetra
izay niteny hatramin’i Samoela no mankaty
dia samy nanambara izao andro izao avokoa.
Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena
nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika,
raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe:

‘Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany’,

ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony,
sy nanirahany Azy hanasoa anareo
mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Salamo 8, 2a sy 5. 6-7. 8-9)

Ry Tompo Andriamanitray ô, drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany!

Ry Tompo Andriamanitray ô!
drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany.
Fa mba inona ny olombelona no dia tsahivinao
sy ny zanak’olombelona no dia ahìnao?

Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy.
Ka heni-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy,
ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia.
Ny biby izay mandady sy mandia izany tany.
Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.

Tamin’izany andro izany,
dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy
tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo.
Mbola niresaka toy izany eo izy ireo,
dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Aza matahotra, fa Izaho ihany.”

Taitra sady natahotra izy ireo,
fa nataony ho matoatoa no hitany.
Ka hoy Izy taminy:

“Nahoana no mitebiteby ianareo,
ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo?
Zahao ny tanako sy ny tongotro,
fa Izaho mihitsy ity:
tsapao ka jereo,
fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana
tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Ary rahefa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony.
Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo
noho ny hafaliany sady mbola talanjona,
dia hoy i Jesoa taminy:

“Moa manan-kanina eto va ianareo?”

Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy,
ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra,
ary ny sisa nomeny azy ireo.
Dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Izao no voalazako taminareo
fony mbola teo aminareo Aho,
fa tsy maintsy ho tanteraka
izay rehetra voasoratra momba Ahy
ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo.”

Dia nosokafany ny sain’izy ireo
hahafantatra ny Soratra Masina,
ka hoy Izy taminy:

“Araka ny voasoratra
dia tsy maintsy hijaly i Kristy
sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo,
ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra,
miantomboka amin’i Jerosalema,
ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Ianareo no vavolombelon’izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...