Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 17-26)

Indreo ry zareo nataonareo an-tranomaizina ireny fa ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona.

Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy,
dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.
Nasainy nosamborina ny Apôstôly,
dia nataony an-tranomaizina.
Fa nony alina kosa,
dia nisy Anjelin’ny Tompo
namoha ny varavaran’ny tranomaizina,
ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe:

“Mandehana mankao amin’ny tempoly,
ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra,
ny amin’izany fiainana izany.”

Rahefa nandre izany izy ireo,
dia niditra marainakoa tao amin’ny tempoly
ka nampianatra.
Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona
sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrina
mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely,
ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina
haka ny Apôstôly.
Dia nandeha ny iraka,
nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony,
ka lasa niverina nilaza izay hitany nanao hoe:

“Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara,
ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana;
kanjo nony novohanay,
tsy nisy olona tao anatiny.”

Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly
sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany,
satria tsy takany velively
izay tokony ho nahatonga izany.
Fa tamin’izay kosa inty nisy olona anankiray tonga
nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Indreo ry zareo nataonareo tao an-tranomaizina ireny,
ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona.”

Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny namany,
nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao hotorahan’ny vahoaka vato.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Salamo 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9)

Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo;
sambatra ny olona mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)

Andriamanitra naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny alalany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:

“Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina;
fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana:
tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy
dia tsy tia ny fahazavana ka tsy manatona ny fahazavana
sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany,
fa atao amin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...