Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 1-8)

Nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

Androtry ny nahafaty an’i Etiena ihany,
dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema,
ka niely tany Jodea sy Samaria ny mpianatra rehetra,
afa-tsy ny Apôstôly ihany.
Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etiena
sady nitomany azy fatratra.
Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy;
nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy,
ka nataony an-tranomaizina.
Ry zareo niely tamin’izay,
dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra.
Ary i Filipo nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 4-5. 6-7a

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra!

Miankohoka aminao ny tany tontolo,
sy miantsa ny Anaranao, sy miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra!
Mahatahotra ity nataony ho an’ny zanak’olombelona!

Ny ranomasina novany ho tanety;
ny ony novakina toy ny tany maina!
Koa aoka isika hifaly aminy!
Ny heriny manjaka mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)

Izao no sitra-pon’ny Raiko: Mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka, ka mino Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Izaho no mofon’ny fiainana;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Fa efa voalazako taminareo,
fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino.
Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy,
ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
satria Izaho no nidina avy any an-danitra
dia tsy ny hanao ny sitra-poko,
fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy,
dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy,
fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro.
Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy,
dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay
izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...