Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 11, 1-18)

Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny Apôstôly sy ny rahalahy tany Jodea
fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera,
dia nomen’ireo mpino voafora tsiny, nataony hoe:

“Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora,
sady niara-nihinana taminy?”

Dia nitantara ny zava-niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:

“Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho,
dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe
nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra,
tonga tao amiko.
Nony nijery azy aho ka nandinika,
dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra,
ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.
Ary nisy feo reko koa nanao hoe:

Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.

Fa hoy izaho:

Sanatria, Tompoko,
tsy mba nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.

Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe:

Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.

Intelo no naverina natao izany,
dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Niaraka tamin’izay,
dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako,
nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko:

Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo.

Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto,
ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
Notantarain-dralehilahy taminay
ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony,
ka nanao taminy hoe:

Maniraha ho any Jôpe,
ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,
fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao
sy ny ankohonanao rehetra.
Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho,
dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina.

Tamin’izay, dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

I Joany nanao batemy tamin’ny rano,
fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.

Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika
izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo,
iza moa aho no afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?”

Nony nandre izany izy ireo,
dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana
hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 41, 2-3 ; 42, 3. 4.

Mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona ny fanahiko.

Mova tsy serfa izay lian-doharano.
Ny foko efa liana ny Tompoko!
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
dia Ilay Andriamanitra velona.
Mba rahoviana aho re no handroso,
hiseho anoloan’Andriamanitra?

Tsilovy aho hahita ny lalana,
tariho mba hahita azy marina.
Hitody any am-bohitrao masina,
ilay toerana ataonao fonenana.

Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
higoka ny tena hasambarako.
Valiha no hanaraka ny hirako,
hidera ny Tompo Andriamanitro!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Izaho no Mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny ambodia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...