Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 18, 9-18)

Be ny vahoakako amin’ity tanàna ity.

Raha tany Kôrinto i Paoly,
dia hoy ny Tompo taminy, indray alina, tamin’ny tsindrimandry:

“Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina.
Satria momba anao Aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao,
sady be ny vahoakako amin’ity tanàna ity.”

Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy,
nampianatra ny tenin’Andriamanitra tao.

Ary nony i Galiôna no governora tao Akaîa,
dia niray tetika hamely an’i Paoly ny Jody,
ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana, ka nanao hoe:

“Ilay ity mitaona ny olona hanaraka ny fombam-pivavahana
mifanohitra amin’ny Lalàna.”

Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly,
dia hoy i Galiôna tamin’ny Jody:

“Ry Jody, ny amin’ny ratsy natao, na ady heloka
no ihainoako ny fitorianareo;
fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa,
raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an’izany aho.”

Dia noroahiny hiala teo amin’ny fitsarana izy ireo.
Tamin’izay dia nosamborin’izy rehetra i Sôstena lehiben’ny sinagôga,
ka nokapohiny teo anoloan’ny fitsarana;
fa tsy nahoan’i Galiôna akory izany.

Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly,
vao nanao veloma ny rahalahy ka niondrana nankany Siria,
niaraka tamin’i Prisila sy Akilasy,
ary nohetezany tao Senkrea ny volondohany,
fa nisy voady nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 46, 2-3. 4-5. 6-7

Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
Miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana,
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Vahoaka maro, ataony ambaninay;
fokom-pirenena, ambany tongotray.
Izahay nofidiny ho lovany,
i Jakôba olon-tiany, ho reharehany.

Andriamanitra miakatra, arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.
Antsao Andriamanitra! Antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

Tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo,
ary hifaly izao tontolo izao;
halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.
Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany;
nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy,
noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny,
nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo,
ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Amin’izany andro izany,
dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...