Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 22, 30 ; 23, 6-11)

Tsy maintsy hanambara Ahy any Rôma koa ianao.

Tamin’izany andro izany,
te-hahalala marina izay antony niampangan’ny Jody an’i Paoly ny Kômandy rômanina,
ka nasainy hovahana izy, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrina,
dia nentina i Paoly, ka napetrany teo afovoan’izy ireo.

Nony fantatr’i Paoly fa Sadoseanina ny sasany tamin’izay teo, ary Farisianina ny sasany,
dia niantso teo amin’ny Sanedrina izy nanao hoe:

“Ry rahalahy,
Izaho dia Farisianina,
ary amin’ny fanantenantsika ny amin’ny fitsanganan-ko velona no itsaràna ahy.”

Vao nilaza izany izy, dia nifanditra ny Farisianina sy ny Sadoseanina,
ka nizara roa toko ny olona teo.
Fa ny Sadoseanina manao hoe:
Tsy misy fitsanganan-ko velona, ary tsy misy koa izay hoe Anjely na fanahy:
nefa ny Farisianina kosa mino ireo zavatra rehetra ireo,
ka tabataba nankarenina no niseho.
Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin’ny antokon’ny Farisianina,
nitsangana ka nanohitra hoe:

“Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an’io lehilahy io,
fa angamba fanahy na anjely anankiray no niteny taminy.”

Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana.
Efa nataon’ny Kômandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly,
ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka,
sy hitondra azy ho any anaty rova.
Nony alina, dia niseho tamin’i Paoly ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Matokia,
fa tahaka ny nanambarànao Ahy taty Jerosalema
no tsy maintsy hanambarànao Ahy any Rôma koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10. 11

Andriamanitra ô, ambeno aho, mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno
fa Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Toeran-tsoa no natokana ho ahy.

Ka isaorako, Tompo, Ianao,
fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy,
ka hisaorako mandrakizay.

Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana,
izay mameno ny foko tontolo
sy manenika izato fanahy.
Ka ny foko mandry amin-toky;
fa tsy foinao ho levona ny aiko,
ny olon-tianao tsy foinao ho faty.

E! ny lalan’ny fiainana izao
dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay
izay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)

Mba ho iray ihany izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka hoe:

“Tsy ho azy ireto ihany no angatahiko,
fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa:
mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko,
ary Izaho ao Aminao,
ary mba hiray ao amintsika koa izy,
ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.
Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy,
mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika:
Izaho moa ao aminy,
Ianao kosa ato amiko,
mba ho tena iray tokoa izy ireo,
a ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy,
ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
Ray ô,
tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomena Ahy,
mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy,
satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
Ray marina ô,
tsy nahalala Anao izao tontolo izao,
fa Izaho no nahalala Anao,
ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
Efa nampahafantariko ny Anaranao izy,
sady mbola hampahafantariko koa,
mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy,
ary mba ho ao aminy koa Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...