Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 3, 13-15. 17-19)

Novonoinareo ny Tompon’ny aina, fa natsangan’Andriamanitra ho velona Izy.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’ny vahoaka i Piera nanao hoe:

“Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba,
Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany,
izay natolotrareo sy nolavinareo, teo anatrehan’i Pilaty,
na dia nataony halefa aza Izy.
Ny Masina sy ny Marina nolavinareo,
fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.
Ianareo namono ny Tompon’ny aina;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
ary izahay ireto no vavolombelon’izany.
Ary ankehitriny, ry hava-malala,
fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany,
toy izany koa ireo lehibenareo,
fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo
amin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hijaly i Kristy.
Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 4, 2. 4. 7. 9

Aidino aminay, ry Tompo, ny hazavan’ny Tavanao.

Raha miantso aho, mba valio,
ry Andriamanitra mpanamarina ahy.
Ry mpanalalaka amin’ny tery ô,
iantrao aho, henoy vavaka.

Fantaro ny ataon’ny Tompo ity sakaizany:
vao miteny aho, dia henony avy hatrany.
Iza, hoy ny maro, no mba hahasambatra azy?
Ny hazavan’ny Tavanao, Tompo, aidina aminay!

Izaho vantany vao mandry
dia matory amim-piadanana:
Ianao irery no fananako
mahafeno toky ahy!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 2, 1-5a)

Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika ary tsy ny antsika ihany fa ny an’izao tontolo izao koa.

Anaka, nanoratra aminareo aho, mba tsy hanotanareo.
Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika,
dia i Jesoa Kristy, Ilay marina.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika;
ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny,
dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa izay mitandrina ny didiny,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

Tsy maintsy hijaly i Kristy, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ny mpianatra avy tany Emaosy
tamin’ny Apôstôly iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany an’i Jesoa tamin’ny famakiana ny mofo.
Mbola niresaka toy izany eo izy ireo,
dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Homba anareo anie ny fiadanana!
Aza matahotra, fa Izaho ihany”.

Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany.
Ka hoy Izy taminy:

“Nahoana no mitebiteby ianareo,
ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo?
Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity:
tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana
tahaka izao ahitanareo Ahy izao”.

Ary rehefa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony.
Ary ilay mbola tsy nino iny ihany izy ireo noho ny hafaliany,
sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy:

“Moa manan-kanina eto va ianareo?”

Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy,
ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra,
ary ny sisa nomeny azy ireo.
Dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho,
fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy
ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo”.

Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina,
ka hoy Izy taminy:

“Araka ny voasoratra,
dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo,
ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra,
miantomboka amin’i Jerosalema,
ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Ianareo no vavolombelon’izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...