Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 10, 25-26. 34-35. 44-48)

Nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
raha vao niditra tao Sezarea i Piera,
dia notsenain’i Kôrnely, kapiteny rômanina,
ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy.
Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe:

“Mitsangàna, fa olona ihany aho”.

Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe:

“Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra:
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny,
na aiza na aiza firenena misy azy”.

Mbola miteny eo i Piera
no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina
ka talanjona fatratra ny mpino voafora,
tonga teo niaraka tamin’i Piera,
nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina,
satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo.
Dia hoy i Piera:

“Azo lavina tsy hatao Batemy amin’ny rano va
ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto?”

Koa ireo, nasainy natao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo;
izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Nanambara ny famonjeny tamin’ireo firenena ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo
fa nahavita zava-mahagaga:
ny tanany havanana, ny sandriny masina
no nahazoany fandresena.

Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny,
ny fahamarinany hitan’ireo firenena.
Tsarovy, ry terak’i Israely,
ny fitiavany sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo;
mientàna, miantsà sy mihobia.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-10)

Andriamanitra dia fitiavana.

Ry hava-malala, aoka hifankatia isika,
fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo,
fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo,
dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo,
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony;
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo
ary haharetan’ny vokatrareo,
sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...