Vakiteny voalohany
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 14. 43-52)
Indro hankany amin’ny Jentily izahay.
Tamin’izany andro izany, i Paoly sy i Barnabe dia niala tany Perja,
ka tonga tany Antiôkia any Pisidia;
ary niditra tao amin’ny Sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Rehefa nirava ny fiangonana,
dia betsaka ny Jody sy ny prôzelita nanompo an’Andriamanitra,
no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa,
niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Tamin’ny sabata manaraka,
dia saika tafangona nihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:
“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra,
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany”.
Faly ny Jentily nony nandre izany ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma;
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 99, 2. 3. 5
Isika vahoakany sy ondry eo an-tanany.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava anoloany amin-karavoana,
ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao ka Azy isika,
vahoaka sy ondry eo an-tanany.
Idiro amin-tsaotra ny vavahadiny,
idiro amin-dera ireo kianjany.
Derao Izy, isaory ny Anarany.
Vakiteny faharoa
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 7, 9. 14b-17)
Ny Zanak’ondry Izay manjaka no hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina.
Izaho, Joany, nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra,
sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra,
nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry,
miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
Ary hoy ny iray tamin’ireo Anti-dahy tamiko:
“Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe,
nanasa sy nampadio ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny,
ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony.
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo,
ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.
Fa ny Zanak’ondry, Izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana,
no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy amin’ny loharanon’aina,
ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 27-30)
Homeko ny fiainana mandrakizay ny ondriko.
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:
“Izaho no Mpiandry ondry tsara”.
Ary dia niteny koa Izy nanao hoe:
“Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana,
ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao,
ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray.
Izaho sy ny Ray dia iray ihany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.