Alahady faharoa - Taona D fankalazana ny Paka : Tompoko sy Andriamanitro! ; nitsangana teo afovoan’ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Sambatra izay tsy nahita ka mino!". Miresaka ny fahefana hamela heloka ny tenin'Andriamanitra ifampizarana amin'izao alahadin'ny famindram-po izao. Andriamanitra dia mpamindra fo sy mihantra, tsy manadino ny fifanekena efa nisy, ary mandrakizay ny famindram-pony. Tsy mifidy olona hosoavina Andriamanitra. Toetran'Andriamanitra manokana ny famindram-po, ny famindram-po dia tsy manambara fahalemena fa tena fanehoana ny herin'Andriamanitra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...