Alahady faha-7 - taona D fankalazana ny Paka : Tokony hangetaheta ny mandrakizay isika ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Fanirian'i Jesoa no ho andian'ondry tokana antsika sy ho mpiandry ondry tokana no hiahy antsika. Ny môdelin'ny fiombonana dia ny fiombonana ao amin'ny Trinite Masina. Andriamanitra Ray dia toy ny masoandro, mamiratra ; ny Zanaka dia ireo tana-masoandro, mitondra hazavana ao an-trano sy mamono ny otrik'aretina samihafa, ny Fanahy Masina dia ny hafanana...