Alahadin'ny Trinite Masina : Andriamanitra tokana fa olona telo - Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Ny mistery dia tsy takatry ny saina sy tsy hay hazavaina hoy Masindahy Athanase : "raha Andriamanitra takatry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina". Tamin'ny taon-jato fahatelo no nampiasana ny teny hoe "Trinité" voalohany, izay fitambaranà teny roa "Tri" sy "Unité", izany hoe telo anefa iray. Voalaza ao amin'ny Soratra Masina, ny maha tokana anefa olona telo an'Andriamanitra, na ao amin'ny Testamenta Taloha na Testamenta Vaovao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...