Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.

"Marefo sy tsy mendrika ny hanao io andraikitra nankinina amiko io, toa an’i Maria Dominique, aho", hoy izy, "nefa mahatoky ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanohananareo rahavavy, ka isaorako an’Andriamanitra sy ny Fikambanana nametraka ny fitokisana tamiko".
Hafaliana ho an’ny Province « Marie source de Vie » eto Madagasikara ny fandraisana an’i Sr Rafaraonisoa, malagasy voalohany hitantana ny Fikambanana, tao anatin’ny 36 taona nahatongavan’izy ireo teto Madagasikara. Natomboka tamin’ny fankalazana ny Eokaristia masina ny lanonana, notarihin’i P. Bizimana Innocent, Lehiben’ny Fikambanana salezian’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, notronin’ny lefiny, P Graziano di Lazzari. Nandritra ny Sorona masina no namakian’i Sr Bernadette Chongo, Lehibe teo aloha izay hodimbiasany, ny taratasy fanendrena avy amin’ny Mère Yvonne Reungoat, Lehiben’ny Fikambanana maneran-tany. Natolotra azy avy eo ny Baiboly sy ny lalam-panorenan’ny fikambanana, izay nampahatsiahivin'i Sr bernadette fa fitaovana miantoka ny lalan’ny fahamasinana ireo, araka fampianaran’i Don Bosco sy Marie Dominique Mazzarello. Nomena azy ihany koa ny boky mirakitra ny anaran’ireo masera mpikambana sy ny mombamomba azy ireo, hanehoana fa eo ambany fiadidiany izy ireo.
Taorian’ny Sorona masina, noraisin’ireo masera rahavaviny teo anoloan’ny birao amin’ny maha-lehiben’ny Fikambanana azy i Sr Rafaraonisoa Blandine, notronin'i Sr Bernadette ary natolotry ny Lehiben'ny ankohonam-piainana Port-Bergé azy ny fanalahidin’ity birao ity ho famantarana fa hosokafany ho an’ny masera rahavaviny amin’ny fotoana rehetra ity efitrano ity. Natolotra azy ihany koa ny tantely sy ny tsihy ; ny tantely, famantarana fa na mafy aza ny atrehina dia ho mamy hatrany ny fiainana ka afaka hijoro hiatrika izany ; ny tsihy kosa famantarana ny toerana iarahana, hihaonana, hifampihainona, fanehoana fahavonona handray izay zava-mitranga eo amin’ny fiainana
Tao amin’ny lasapela no nanolorana azy ny satro-boninahitra miendrika fehim-bonin-kazo sy ny boky mirakitra ny voadin’ireo rahavaviny ao amin’ny Fikambanana, ho fiarahabana azy tonga soa.
Tamin’ny lahateny voalohany nataony no nisaorany ny fikambanana tamin’ny teny fandraisana sy ireo mari-pamantarana samihafa. Nanome toky izy fa hampiaina ny fikambanana toy ny nataon’i Mère Mazzarello, amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo rahavaviny.
Nofaranana tamin’ny fanatontosana horonan-tsary ny hira fanevan'ny fikambanana iraisam-pirenena hanamarihana ny faha-150 taonan’ny fikambanana ny andro.
Andro lehibe tsy hay hadinoana: fandraisana ny provinsialy malagasy voalohany, vokatry ny iraka sy ny fanomezam-pahasoavan'ny salezianina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...