Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 9 novambra 2026

• “Tafio ny fiadian'Andriamanitra”, io no teny manentana ny fiainan'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina. Tontosa omaly ny fanamasinana azy ho eveka… • Hotanterahana ny 25 hatramin'ny 29 aogositra 2027, ny JMJ Mada XI, izay horaisin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Isan'ny nanamarika ny fandahram-potoanan'ny Papa Léon XIV, tamin'ny famangiany an'i Uruguay omaly, ny fandalovany tao amin'ny Paroasy arovan'i Mb Thérèse de Lisieux…

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...