Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Ry havana malala, arahabaina tratry ny Fetin’ny Noely, androm-pifaliana.

“Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo,
fa mpamonjy no teraka ho anareo anio ao antanan’i Davida, dia i Kristy Tompo” ( Lk 2, 10-11).

“Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra,
ary fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany,
fa nanehoany ny hatsarampony” (Lk 2, 14).

Hafaliana lehibe, ho an’izao tontolo izao ny fahatongan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo. Andriamanitra mihitsy no manolotra ny Zanany ho fanomezana ho antsika. Io Zanany tonga olombelona io no fototry ny hafaliana ifampizarantsika. Mifanatona ny mpianakavy, mifampizara hafaliana sy mifanolotra fanomezana. Mankasitraka an’Andriamanitra noho izany fitiavana lehibe ho antsika olombelona izany.

Mpiray tampo isika olombelona. Ary ny fankalazana ny fetin’ny Noely, dia mampahatsiahy antsika an’izany. Fotoana lehibe ho antsika izany; fotoana fifanampiana, fifampizarana amin’ny hafa, indrindra ny sahirana; mba samy hahita hafaliana avokoa ny olona rehetra.

Tsara ny Noely, raha mifamela isika,
Tsara ny Noely raha mamonjy ny hafa isika,
Tsara ny Noely raha mizara ny hafaliana isika.

Samia miezaka mandresy ny fitiavan-tena amin’ny fahatsiarovana ny hafa.

I Jesoa tonga hamonjy antsika, afoantsika no antony lehibe. Manetry tena Andriamanitra, ka teraka tao an-tranon’omby i Jesoa. Tsy manavakavaka Andriamanitra fa tonga ho an’ny olona isan-tokony ny Zanany.

Amin’izao fotoan’ny aretina maro sy ny ady amin’ny firenena maro izao, amin’izao fotoan’ny fahasahiranana ara-piainana izao… mitondra ny hafatra lehibe ny NOELY:

“Aza matahotra ianareo, teraka ho anareo ny Mpamonjy”.

Amin’ny anaran’ny Fianakaviam-be Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy no itondrako ny fiarahabana ho antsika tsy an-kanavaka. Arahabaina nahatratra izao androm-pifaliana izao isika mianakavy. Entanin-kafaliana isika, ka miaraka amin’ireo anjely alinalina any an-danitra, mihoby manao hoe :

“Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra,
ary fiadanana ety an-tany ho an’ny olona tsara sitra-po”.

Hanjaka ao an-tokantranonareo anie ny fitiavana sy ny fifaliana amin’izao Noely izao. Hamirapiratra anie ity Noely ity, hitondra fifaliana, fitiavana ary Taona Vaovao feno hazavana sy fanantenana.

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...