Ny 16 ka hatramin’ny 04 avril 2020 no ho tanterahina any Turin-Valdocco ny “Chapitre générale faha-28” (CG28) ho an’ny Fikambanana salezianina. Hafatra roa lehibe no ampitain’izao fivoriam-be izao : ny fiverenana any Valdocco, trano foiben’ny salezianina, taorian’ny 62 taona lasa, ka  ny CG18 no natao farany tany, ary ny fivoriam-be handinihina ny hoe “salezianina toy inona no ilain’ny tanora ankehitriny?”

Ny fanentanana ho an’ny fikambanana dia ny hifantohana amin’ny endriky ny salezianina mba hamerenana ny halalina sy ny harem-panahin’ny fanomezam-pahasoavana manokana, sy ny « ny fahavononana hihaino araka izay tratra ny filan’izao vaninandrontsika izao », ao anatin’ny tranga rehetra iainan’ny salezianina

Voaantso avokoa ny saleziana, na tsy mivantana aza, hitondra ny anjara birikiny hanampiana ireo mpandray anjara amin’ity fivoriam-be ity hanazavana ny andraikitra. Miisa 242 ny mpandray anjara ka anisan’izany i P. Charles Armand Randimbisoa, lehiben’ny Fikambanana salezianian aty Madagasikara  sy P. Innocent Bizimana, misolo tena ny salezianina avy aty Madagasikara.

Tari-dalana telo no holalinina araka ny taratasy fiantsoana nalefan’ny Lehiben’ny Fikambanana salezianina maneran-tany. Manentana izy mba hamaly ny faniriana, “ny faniriana fatratra amin’ny maha-olombelona”, ny fanamafisana lalina kokoa ny aim-panahy, ary ny fifandrindrana eo amin’ny asa sahanina ho matotra kokoa.

Fanamby amin’izany ny fandalinana ny iraka ataon’ny salezianina eo amin’ny tanora ankehitriny. Ankoatr’izany, ity fivoriam-be ity dia tokony hanoritra ny toetra maha-izy ny salezianina izay miofana mba hanompo an’i Kristy sy ny tanora ankehitriny. Ary farany, misy ihany koa ny fifampizarana iarahana amin’ny laika momba ny iraka sy ny fiofanana ho an’ny ho avy. Sarotra ny olana dinihina amin’ity fivoriam-be ity nefa tena manan-danja tokoa.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...