Natolotr'i P. Angèl Artime Fernandez, Lehiben'ny Fikambanana salezianina maneran-tany, amin'ity horonan-tsary ity ny teny fanentanana ho an'ny taona 2022, nampitondrainy ny lohateny hoe : "Ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra, ialao ny an-tery". Hevi-dehibe, izay ifandraisan'i Masindahy François de Sales sy i Don Bosco no hazavainy amin'izany : ialao ny an-tery, Andriamanitra ao amin'ny fon'olombelona, ny fiainana ao amin'Andriamanitra, ny halemem-panahy sy toetra maha-te ho tia eo amin'ny fifandraisna, ny Fitiavana tsy misy fepetra sy tsy misy fetra, ny maha zava-dehibe ny fitantanana am-panahy, am-pitiavana ny zavatra rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...