Sarotra ny fiainana aty Argentine, hoy Fr Randriamalalatiana Harinala Romel, sdb satria miova avokoa na ny ora sy ny fomba fianarana, na ny olona sy ny fifampitondrana ao amin’ny ankohonam-piainana, na ny kolo-tsaina sy ny fiaraha-monina. Sedra atrehan’ireo misionera, tsy maintsy hihoarana izany. Mizara ny traikefa-piainany amintsika I Fr Romel.

Olona vaovao, fiainana vaovao, toerana vaovao, ankohonam-piainana vaovao no novantaniko teto Argentine ny janoary 2019. Hafa noho ny tany Urugay, toerana milamina sy efa nahazatra izay voatery nilaozana noho ny fanamboarana ny tranon’ny mpiofana. Olana nosedraina voalohany ny fanamboarana ny kara-panondro. Tsy nahafahana nikarakaraka ny taratasy rehetra ny fahazoan-dalana hitoetra (visa) nandritra ny iray volana. Ny volana jolay vao azo ny kara-panondro (cedula)

Fianarana - Tontolo hafa

Manahirana ny fiovana. Folo volana ny faharetan’ny taom-pianarana. Nanomboka tamin’ny volana martsa teo izany ary mifarana ny volana desambra. Maro ny taranja natao tamin’ny taona voalohany tany Uruguay no tsy nankatoavina teto Argentine noho ny tsy fitovian’ny lesona, na dia mitovy aza ny taranja.

Olana ihany koa ny fahasamihafan’ny fomba sy ny fepetra takian’ny mpampianatra. Maro amin’izy ireo no mangataka boky roa, mialohan’ny hanaovana fanadinana, ary ny boky fahatelo no hanomezana ny naoty. Ny eo tsy vita, ny eo tonga ihany. Fanampin’izany ny fanavakavahana ataon’ny mpampianatra sasany mandritra ny fotoam-panadinana. Manginy fotsiny ny fianarana any an-tsekoly izay manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 10 ora alina, ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma satria mikatona ny toeram-pianarana ny maraina. Tena mandreraka tokoa.

Na eo aza izany rehetra izany dia mahafinaritra ny fifandraisana amin’ireo mpiara-mianatra izay relijiozy avokoa ny ankamaroany. Toy izany ihany koa ny mpampianatra sasantsasany.

Tantsoraka ho an’ny tanora

Pastoralin’ny tanora no andaniana ny fotoana amin’ny faran’ny herinandro. Atomboka amin’ny fiarahana amin’ny ankizy sy tanora ao amin’ny oratorio ao amin’ny Notre Dame de la Vallée na ao amin’ny “explorador de Don Bosco (karazana skoto) manomboka amin’ny 3 ora izany ny sabotsy tolakandro. Milalao miaraka amin’ny ankizy 07 ka hatramin’ny 14 taona no atao ao amin’ny oratorio. Mbola tsy misy mpanabe ao amin’ity oratorio ity ka ny salezianina no mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanentanana. Any amin’ny “explorador de Don Bosco” kosa dia mandray anjara amin’ny filan-kevitra sy ny fanaraha-maso ireo ankizy sy tanora 07 ka hatramin’ny 19 taona, miisa 250.

Amin’ny 5 ora tolakandro ka hatramin’ny 9 ora alina, na mihoatra aza indraindray, ny fanaovana tantsoroka ny tanora karismatika. Famelabelaran-kevitra na mitsaoka ny Sakramenta Masina miaraka amin’izy ireo no atao amin’izany.

Mitohy ny alahady ny asa pastoraly amin’ny fanampiana ny filan-kevitra ao amin’ny Fiangonana Notre dame de la Vallée. Ankoatra ny Eokaristia masina izay ankalazaina ny maraina dia eo ihany koa ny fampianarana katesizy ary faranana amin’ny oratorio ny tolakandro amin’ny 4 tolakandro ka hatramin’ny 8 ora alina.

Ankohonam-piainana

Miisa 24 ny mpikambana ao amin’ny trano fiofanana mandalina ny teolojia. Iray mpampiofana ary 4 isaky ny ambaratonga. Mahatonga fifandonana ny sangy noho ny fahasamihafan’ny toetra sy ny kolo-tsaina ka tsy maintsy mitandrina amin’ny fanehoan-kevitra mba tsy hisian’ny fifandonana. Na izany aza anefa dia miezaka hatrany aho maneho ny kolo-tsaina Malagasy, hoy i Fr Romel, mankahery tena eo am-piatrehana ireo olana samihafa ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...