Ny sabotsy 31 jolay 2021 tamin'ny 2 ora sy sasany folak'andro lasa teo, oran'ny Roma, no notanterahana ny fivoriambe nataon'ny tompon'andraikitry ny MSJ (Mouvement Salésien des Jeunes) na Firohotan'ny Tanora Salezianina maneran-tany, izay niarahan'izy ireo tamin'i solontenan'ny pastoralin'ny tanora sy ny mpandrindra an'ity MSJ ity. Araka ny atontan'isa dia nahitana mpandray anjara miisa 130 tamin'ity fivorianam-be ity.

Tsara ho marihina fa fivoriana natao voalohany, izay notanterahina amin'ny alalan'ny "PLATFORME ZOOM" (fivoriana ampitain-davitra) izy io. Nohenoina sy natao tamin'ny fitenim-pirenena maro ity fivoriana ity toy ny fiteny espaniola, portogey, frantsay, ary anglisy. Anisan'ny antony nanaovana ity fivoriana ity ny mba hisian'ny fitovian'ny fomba fijery amin'ny fanombohana sy fanombanana ireo tetikasa. (PLAN LAUNCH: "Lancement du projet").

Natomboka tamin'ny vavaka ity fivoriana ity ka i Alexis Pinare no nitarika azy, izy io izay miara-miasa akaiky amin'ny hetsika fanentanana aty amin'ireo provisin'i Afrika tapany atsimo (AFM). Tetsy andanin'izany ihany koa no nanaovan'i Mompera Rafael Bejarano ny teny fiarahabana sy fandraisana ary firarian-tsoa sahady ho an'ireo mpandray anjara rehetra. Fa tao anatin'izany ihany koa no nanaovana ny fifankahalalana an-tsary tamin'ireo tompon'andraikitry ny pastoraly isan-tokony, dia ny avy any amin'ny faritra : Interamérique, Amerika latinina ilany atsimo, Afrika sy i Madagasikara, Azia atsimo,  Azia atsinanana sy Oseania. Manaraka izany, i Mompera Patrick Anthonyrai, avy ao amin'ny fandrindrana ny MSJ, no nifampizara ny anton'ny fivoriana ary tao anatin'izany no nampahatsiahivany ny tenin'i John Maxwel manao hoe : "tadiavo aloha ny antom-pisianao dia hazava aminao ny lalanao".

Nampiavaka ity fivoriana ity ny fifampizarana ny traikefa nandritra iny taona lasa iny, izay nisolo tena an'izany ny tanora efatra avy amin'ny faritra samihafa : Thamyres Marques (Amerika), Fabrice Faddy (Afrika-Madagasikara), Divya S. (Azia atsimo), Teaghan Donlon (Azia atsinanana-Oseania). I Mompera Miguel Angel Garcia Morcuende, mpanolotsaina jeneralin'ny pastoraly ny tanora, dia niditra mivantana ihany koa tamin'io fivoriana io, ary nanolotra ny fehin-kevitra tondrozotra (directoire) izay mirakitra  "ny DIA - ny MPITARIKA -  ny DRAFITRA"n'ny MSJ (le voyage - les chefs - le plan). Namafisiny indrindra tamin'ny lahateny nataony fa ity firohotana ity dia tsy ho an'ny tanora voafidy na voafantina ihany fa misokatra tanteraka amin'ny tanora rehetra : ireo beazina any an-tsekoly,  ireo beazina ara-pinoana, ireo mirotsaka hanampy eny an-dalam-be... miaraka amin'ireo rantsamangaika rehetra sy ireo torolanana omen'ny firohotana. Ny fiantsana ny hira fanevan'i Don Bosco no nanakatona tanteraka an'io fivoriana io.

Mbola lavitra ny lalan-kizoran'ny MSJ eo amin'ny fanatratrarana ny vina izay napetraka, fa ny hirariana dia ny mba hisian'ny fiovana ka hisy fiantraikany marina eo amin'ny fiainan'ny tanora izany ezaka izany. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...