Article Index

Tantaran'ny RDB

Tonga teto Madagasikara ny salezianina tamin'ny 1981, nentanin'ny hafanampon'ny "Vina Afrika" (Projet afrique), ary avy hatrany dia nisongadina tamin'ny fitrandrahana ny sehatry ny Serasera.

Folo taona tato aoriana dia nitsiry ny hevitra hanao Radio, ho fitaovam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fampivoarana ny ara-tsôsialy.

Tanteraka ny nofinofy nony neken'i Mômpera Luigi Zuppini lehiben'ny Fikambanana sy ny filànkeviny ny faniriana hanao Radio. Voatendry ho tale voalohany i Mômpera Luca Treglia, nanampy azy niandraikitra ny fanofanana ny ho mpandraharaha i Mômpera Rosario Salerno.

Nandritra ny taona 1995 sy 1996 dia nanolotra fampiofanana mpandraharaha amina asa fampielezam-peo ity Radio vao hisokatra, hanomànany ny ho mpiasa ao aminy. 

Raikitra fa "RADIO DON BOSCO" no hatao anarany ho fankasitrahana an'i Masindahy Joany Bosco mpanorina ny Fikambanana Salezianina. Ny teny faneva "Plus je l’écoute, plus je l’aime", dia manambara mazava ny fanamby avo lenta hametrahana ny Radio Don Bosco ho Filamatra eto an-drenivohitra Antananarivo. ("Arakaraka ny hihainoako azy no itiavako azy").

Ny 27 jona 1996 no notokànana ny Radio Don Bosco ka nampiely voalohany ny onjam-peony amin'ny fomba ôfisialy. Ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra no nitarika ny lanonana, notronin'ny olo-manan-kaja maro avy amin'ny sehatra pôlitika sy ara-kolotsaina.

Nandimby an'i Mômpera Luca i Mômpera Cosimo Alvati teo amin'ny fitantanana ny Radio, nanomboka ny taona 1998 hatramin'ny 2006.

Niverina kosa indray ny volana marsa 2006, ary talen'ny Radio Don Bosco mandraka ankehitriny, i Mômpera Luca Treglia.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...