♦ Tokony horavàna amin'ny alalan'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta mijoro amin'izao hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Ny fanangànana Governemanta tsy miandany no hitan'ny antoko fa vahaolana hirosoana amin'ny fifidianana, manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Hihemotra rahampitso ny fitokonana faobe kasain'ny SECES sampana Antananarivo natomboka androany. Eo Am-pelatanan'ny Governemanta tanteraka ny ho avin'ny zana-bahoaka, amin'ny hisian'ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo hoy izy ireo... ♦ Mbola tsy azo, tapa-bolana aty aoriana, ireo omby 80 notakian'ny fianakavian'ny maty amin'ny zandary momba ilay raharaha fahafatesana tovolahy roa tany Bebaboka-Maintirano...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...