♦ Tokony horavàna amin'ny alalan'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta mijoro amin'izao hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Ny fanangànana Governemanta tsy miandany no hitan'ny antoko fa vahaolana hirosoana amin'ny fifidianana, manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Hihemotra rahampitso ny fitokonana faobe kasain'ny SECES sampana Antananarivo natomboka androany. Eo Am-pelatanan'ny Governemanta tanteraka ny ho avin'ny zana-bahoaka, amin'ny hisian'ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo hoy izy ireo... ♦ Mbola tsy azo, tapa-bolana aty aoriana, ireo omby 80 notakian'ny fianakavian'ny maty amin'ny zandary momba ilay raharaha fahafatesana tovolahy roa tany Bebaboka-Maintirano...

[audio src="/images/sounds/jmi-20230918.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...