♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe eny Soanierana manomboka anio ireo mpiasan'ny JIRAMA. Nilaza ny hanakatona manontolo ireo masoivohon'ny orinasa ireo mpitarika ny sendikàn'ny mpiasa... ♦ Mitaky fifanarahana fanatanterahana ny fitakiana ihany koa ireo tanora mianatra ho mpitsabo. Nanao diabe sy filanjàna sora-baventy teny amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka izy ireo... ♦ Manomboka mipoitra indray ny fitakiana famerenana Ben'ny tanàna efa niasa, ka noesorina tamin'ny toerana, noho ny didin'ny fitsaràna... ♦ Nomen'ny fitsarana fahafahana ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy...
♦ Misy ireo sendika sy antoko pôlitika mametraka ahiahy amin'ny praiministra vaovao nandray ny fahefany omaly. Tsy mifanaraka amin'ny notakiana nandritra ny tolona ny fanendrena azy hoy ny randrana sendikaly. Mivoana amin'ny fanovana nodradradradraina teny an-kianja ihany koa ny fanendrena azy hoy ny antoko Otrik'afo sy ny vondron-kery Manova Ifotony... ♦ Nanambara ny tsy maha-mpanohitra azy intsony ny vovonana pôlitika RMDM. Manara-maso ny fomba fiasan'ny mpitondra nefa izy ireo... ♦ Nihena ny herin'ilay rivo-doza Chenge mananontanona ny faritra avaratry ny nosy, hanohy ny diany hiankandrefana hatrany izy anatin'ny 4 andro...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco