♦ Andrasana ny ho tohin'ny fangatahan'ireo mpivory anemorana ny datin'ny fifidianana amin'ny 16 nôvambra izao. Atolotra ny Ceni sy ny governemanta ary ny vondrona iraisam-pirenena ny fehin-kevitra tapaka tamin'ny alalan'ny tsangan-tanana tseny Tsimbazaza omaly... ♦ Ambaran'ny governemanta ho fikotrehana fanonganam-panjakàna amin'ny alalan'ny andrim-panjakàna ny fihetsiky ny filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ireo niara-nivory taminy hanemotra ny fifidianana. Tsy miova fa ny 16 novambra izao no hatao ny fifidianana hoy izy ireo... ♦ Mitsipaka ny hanemorana ny fifidianana amin'ny 16 novambra koa ny Antenimeran-doholona. Tsy misy antony tokony hanemorana izany hoy izy ireo...

[audio src="/images/sounds/jma-20231111.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...