♦ Misy ireo sendika sy antoko pôlitika mametraka ahiahy amin'ny praiministra vaovao nandray ny fahefany omaly. Tsy mifanaraka amin'ny notakiana nandritra ny tolona ny fanendrena azy hoy ny randrana sendikaly. Mivoana amin'ny fanovana nodradradradraina teny an-kianja ihany koa ny fanendrena azy hoy ny antoko Otrik'afo sy ny vondron-kery Manova Ifotony... ♦ Nanambara ny tsy maha-mpanohitra azy intsony ny vovonana pôlitika RMDM. Manara-maso ny fomba fiasan'ny mpitondra nefa izy ireo... ♦ Nihena ny herin'ilay rivo-doza Chenge mananontanona ny faritra avaratry ny nosy, hanohy ny diany hiankandrefana hatrany izy anatin'ny 4 andro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...