♦ Lavin'ny Ministry ny Fitanterana teo aloha ny tsaho miely amin'ny tambazotra serasera milaza hoe : lasa nandositra any ivelany ny tenany, fa tsy voatazona eny amin'ny fonjan'Avaradrano intsony... ♦ Tokony hisy solontenan'ny hery velona rehetra ao anatin'ilay kômity mpanomana ny fikaonan-doham-pirenena, natsangana eny amin'ny Primatiora, hoy ny vovonana Diovy i Madagasikara... ♦ Nahazo amboara roa ny ekipan'ny Radio Don Bosco tamin'ny lalao Inter-Média "Iray eny an-kianja" andiany faha-dimy, izay natao teny amin'ny Kianja Annexe Barea Mahamasina ny sabotsy teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...