Tamin’izany andro izany, nisy olona iray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?" Ary hoy Izy tamin’ny olona: "Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany". Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: "Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?’ Dia hoy izy: ‘Izao lahy no ndeha hataoko, horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanambe’. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorînao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?" Eny, hoy izy ireo taminy.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: "Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny." Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. "Inona no irinao?" hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa no aoka ho mpanomponareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny toerana iray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany". Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay".

Dia hoy indray koa Izy taminy: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho’. Lazaiko marina aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohaina. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...