Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny filohan’izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...