Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: "Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony." Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: "Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana? Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy."

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...