Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: "Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy." Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.

Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony; fa hoy izy anakampony: "Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho." Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: "Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao." Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.

Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: "Mialà ianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory." Dia nihomehezan’ireo Izy. Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io. Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...