Tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe: "Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra". Hoy izy ireo: "Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: "Nidina avy any an-danitra Aho?" Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no Mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...