Tsy ataotao foana ny fampianarana sy ny fanabeazana. Olona amin'ny maha izy azy manontolo no volavolaina ao, ary asa masina izany. Mila miara-miasa, mila manana fahendrena ireo mpiantsehatra rehetra ao anatin'izany.
Dingam-piainana tsy maintsy lalovana ny fitsaharan'ny fadimbolana eo amin'ny vehivavy, ka manahirana raha vao tsy hiomanana. Trandrahana ny fomba fihetsika manaja ny tontolo ao an-tokantrano sy ny manodidina azy mba tsy hanimba ny voahary.
(16-01-2020) Ny fahazavan-tsaina no mitondra ny fampandrosoana ary ny fampandrosoana no mitondra fiadanana mitondra fandriam-pahalemana.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco