Ny fisolokiana dia miteraka fahasahiranana sy fanimbana ary fanapotehana ny fiaraha-monina, ny tokan-trano ; mety hanimba ny sehatry ny asa ary mety hiafara amin'ny sehatry ny firenena izany olana izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ilaina eo amin'ny fiainana ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Ireo telo ireo no mitondra ho amin'ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Raha tian'ny ray aman-dreny ny hanana taranaka vanona sy mendrika dia mila manao ezaka ny rehetra mba hanome fanabeazana ao anatin'ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia antoka iray mampifanakaiky am-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco