Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe nasionalin'ny ankizy andiany faha-3 na JNE Mada III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy mitovy amin'ny tanora izy ireo fa ankizy 6 ka hatramin'ny 14 taona, izany hoe ankizy tsy ampy taona. Mila atao mipetrapetraka tsara ny fiomanana rehetra indrindra ny fiahiana ny fahasalaman'ny ankizy, ka izay ny anton'ny fandaharana. Fandaharana "miaina sy mitia"
Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.
Ny antony mampivonto ny tongotra dia mety ho roa : ny voalohany dia vokatry ny dona na ratra, ary ny faharoa dia misy rano miandrona anatin'ny nofon-tongotra. Ny fivontosana amin'ny tongotra dia mety ahazo ny sokajin-taona rehetra. Manampy iretsy antony voalaza ery aloha dia misy antony maromaro ireto miteraka fivontosana amin'ny tongotra : tsy milamina ny fikorinan'ny rà, tsy fahampianan-tsakafo, aretina filariozy, tsy fahazakana fanafody hafa. Ny fivontosana amin'ny tongotra dia tokony ho tsaboina eny amin'ireo mpitsabo hatrany. Mety ho vokatra azo avy amin'ny aretina hafa ny fivontosana toy ny hoe : varisy, aretin'ny voa, aretin'ny fo...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco