Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.

Ny taona 1996 izy no tonga teto Madagasikara. Olona tsotra sy be fitiavana. Nahalalan’ny maro azy ny fanampiana ny mahantra. Tia miasa sy be herim-po. Olon’ny vavaka izy satria tsy nanakana azy hivavaka ny asa maro nankinina aminy. Asa tanana, asa saina, asa natao ho famonjena sy fanompoana ny hafa . Toetra notakian’i Don Bosco tamin’ny saleziana ireo ary niainan’i F. Elio. Miara-dia sy manohana mandrakariva ireo mpiara-miasa aminy izy.

Nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana izao, izy no nizara ireo fanampiana ho an’ireo sahirana isaky ny talata sy zoma maraina. Nandray ny valisoany any an-danitra izy teo amin’ny faha-82 taonany.

F Abbio Elio, efa miandry anao any am-paradisa i Don Bosco !

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...