Ilain'ny tanora ny mianatra sy mifehy ny fiteny anglisy, indrindra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tanora vitsivitsy no mijoro vavolombelona manondidina ny tontolon'ny fianarana teny anglisy. Tanora tovovay iray, Ramatoa kely Harifetra, mpampianatra ity taranja ity no mifampizara amintsika ny hasarobin'izany fahaizana teny anglisy izany sy ny toro-paika mba hitiavana sy hahaizana azy haingana.

Ny angovo mifangaro dia fifangaroana loharanon'angovo roa na maromaro. Mety io rano, masoandro na rivotra na solika... Ny angovo avy amin'ny kitay na hazo no be mpampiasa indrindra, avy eo ny angovo avy amin'ny solika raha ny eto Madagasikara. Mbola latsaky 1% ny Malagasy no mampiasa angovo azo havaozina. Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Ny kristianina dia manana ny finoana fa rehefa tapitra ny fiainan'ny nofo dia misy ny fiainan'ny fanahy ao aorian'ny fahafatesana. Tsy avy dia sambatra anefa ny fanahy raha toa ka mbola misy pentina, noho izany tsy maintsy midio. Araka ny lovam-panahy ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy dia misy ny afo fandiovana. Volana novambra isika izao ka ity volana ity dia nantsoina hoe volan'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana. Ilaina araka izany ny mitondra am-bavaka ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry mba hampitony azy ireo sy mba hanampy antsika izay mbola velona ihany koa. Misy ny fizarana sy ny fampianaran'ireo Olomasina sy ny vavaka azo hatao mahakasika izay afo fandiovana izay.

Zava-misy : mampiavaka an'i Madagasikara ny oratsimba (langouste) anatin'ny vanim-potoana fanjonoana azy ity ny faritra maro manerana ny nosy. Inona no tombony azon'ny mponina amin'ny faritra misy azy?. Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...