Fahanginana, fihetsika iray sarotra tanterahina ho antsika olombelona nefa tena ilaina amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Raha isika foana mantsy no miteny dia tsy handre izay ambaran'Andriamanitra.

Jesoa mihitsy àry no manainga antsika ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Matio 6,6 momba izany. Andeha jerentsika àry ety am-panombohana ny ambaran'i Jesoa ao amin'io Matio 6,6 io: "Fa ianao kosa raha mivavaka, dia midira ao amin'nu efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina".

Koa dia izao fotsiny ihany no ataovy: mahatsiaro amim-pahanginana fa eo anatrehan'Andriamanitra. Dia tsy mihetsiketika fa mitombon-tsaina tsara. Foanana tsy asiana na inona na inona ao an-tsaina na ny fo. Tsy mieritreritra na inona na inona. Tsy maniry na inona na inona. Tsy mampiasa saina na amin'inona na amin'inona. Mahatsiaro amim-pahatsorana fa eo anatrehan'Andriamanitra, izay fantantsika fa tia sy mihaino antsika.

Izany no atao hoe mijery sy mihaino amim-pitiavana ary mandinika amim-pahanginana ny momba an'Andriamanitra.

Mahalala sy mahatsapa fa tia antsika Andriamanitra. Ka mamaly fitia azy amim-pahatsorana, toy ny ataon'ny zazakely. Tsy be ahiahy. Satria tsy ilaina izany! Tsy miandry na inona na inona ihany koa, satria mahalala fa efa hetsahin'Andriamanitra ny fitiavany.

Niantrano tao amin'ireo sakaizany i Jesoa, indray andro. Noheverin'i Marta, tompon-trano, fa tsy maintsy raisina amin'ny fomba mendrika sy mihaja ity vahiny miantrano ao aminy. Dia somebiseby ery izy, nisahirana. Raikitra mikenonkenona amin'ny antsipirian-javatra isan-karazany. Mandritra izany fotoana izany anefa ilay rahavaviny, i Maria, dia mipetraka eo an-tongotr'i Jesoa. Mangina sy tsy miteny fa mihaino fotsiny. Ary dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ihany. Tamin'izay indrindra i Marta no nitaraina fa tsy mba manao na inona na inona ity rahavaviny ity. Kinajo izy, indray no nahazo fananarana (Lioka 10,38 - 42).

Fihetsik'olon-dehibe, mahatsiaro tena ho tompon'andraikitra ny an'i Marta. Asehony amin'ny asany ny fahamaizany hanompo. Fomba azo tsapain-tanana enti-maneho ny fitiavana ny Tompo izany. Tsara ny nataony. Saingy hadinony fa misy fomba hafa koa, ankoatra ny asa eto ivelany, anehoana an'izany fitiavana izany: dia ny mahatsiaro fa mifanatri-tava ary iray fo sy fisainana amin'Andriamanitra tia azy, na dia tsy miteny na miloa-bava ilay olona.

Azo ampitahaina amin'ilay zazakely mihaino sy mijery amim-pitiavana i Maria. Eo fotsiny izy. SAMBATRA!

Ny nataon'i Maria no azo lazaina ho sarintsarin'ilay vavaka atao amim-pahanginana antsoina hoe: fibanjinana (mijery sy mihaino amim-pitiavana ary mandinika). Ka i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra, hoy i Jesoa (Lioka 10,42).

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...