Ny mpisehatra amin'ny telozorom-panabeazana dia miroaroa saina manoloana ny fialan-tsasatry ny Noely 2021 ity. Misy zavatra maromaro mampiavaka ity fialan-tsasatra ity mantsy toy ny : fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, fahatapahan'ny fampianarana tapoka noho ny Covid-19, famerenana ny fampanajàna ny fepetra sy ny fihetsika sakana amin'ny maha ao anatin'ny vanim-potoanan'ny "Fahamailona ara-pahasalamana" ny faritra vitsivitsy noho ny valan'aretina.
Alarobia 22 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56
♦ Hanohy fitsaboana eto Antananarivo ny SEG sy ny mécanicien. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona roa hafa... ♦ Tafakatra 36 ireo mpandeha hita faty tao anatin'ilay sambo Francia, rendrika tany Antsiraka... ♦ Nametraka fanambaram-pananana teny amin'ny HCC ireo mpikambana ao amin'ny CENI, androany...
Manomana ny tanora iray amin'ny maha-mpiandry ondry azy ny vontoatin'ny fiofanana manontolo. Misy andry efatra ny fiofanana maha-mpandraharaha masina : lafiny ara-panahy, ara-tsaina, maha-olona ary ny ara-pastoraly. Tsy misy azo atao mandringa ireo fa mandrafitra ny maha-mpiandry ondry araka ny hevitry ny Eglizy. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco