Alarobia 9 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23
♦ Tafakatra ho 96 ny isan'ireo olona namoy ny ainy tao amin'ny Distrikan'Ikongo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai. Ahiana mbola hitombo ny tarehimarika, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo Atsinanana ny Filoham-pirenena mivady, androany. Hiara-hanarina an'i Farafangana amin'ny vahoaka ny mpitondra fanjakana, ary tsy mamela azy ireo ho irery, hoy ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy maintsy tohizina ny ezaka ho fanatanterahana ny fitakian'ny vahoaka tamin'ny 2009, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Antoko Monima, Andriamatoa Monja Roindefo...
Filira : fandaharana isan-kerinandro, hivohizana ny maha malagasy. Fandaharana iresahana : fitsipika, literatiora, riba. Ny tanjona dia ho fanabeazana sy fitaizana. Misy fandraisana "SMS" sy "Antso" mivantana. Fitsipika : hiresahana ireo fomba fanoratra, fiforonan'ny teny, ireo fiteny marina. Literationa : fanazavana ny atao hoe Kanto, literatiora isam-paritra, kabary... Riba sy ny fomba toy ny fanorenana trano, famorana... Fandaharana iarahana amin'ny Akademy Malagasy sy ny mpanentana Tsilavina-Jules.
Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco