♦ Tafakatra ho 96 ny isan'ireo olona namoy ny ainy tao amin'ny Distrikan'Ikongo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai. Ahiana mbola hitombo ny tarehimarika, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo Atsinanana ny Filoham-pirenena mivady, androany. Hiara-hanarina an'i Farafangana amin'ny vahoaka ny mpitondra fanjakana, ary tsy mamela azy ireo ho irery, hoy ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy maintsy tohizina ny ezaka ho fanatanterahana ny fitakian'ny vahoaka tamin'ny 2009, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Antoko Monima, Andriamatoa Monja Roindefo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...