Mpifamofo i Miaro sy Ramatoakely Tina. Nisy nanafika ny toerana misy an'i Tina ary voatifitra ity farany. Niasa saina noho ny tranga nisy i Miaro izay mpitam-bola amin'ny banky iray. Rehefa nanao fanadihadiana fohy ny mpitandron'ny filaminana dia nahatsikaritra fa ny laharan'ny finday an'i Miaro no hita farany tao amin'ny findain'i Tina ary izay no antony niahiahian'ny pôlice azy.
♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...
Ny alahady 16 avrily 2023 no nanamarihana ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra. Ny bazilika lehibe ao Roma : st Jean de Latran, St Pierre vatican, Ste Marie Mageur, St Paul hors le mur ; ireo bazilika ireo dia samy manana ny atao hoe varavarana masina, izay sokafana amin'ny fomba manokana rehefa misy ny taon-jaobily ireny. Manana ny anjara toerana lehibe amin'ny fanomezana ny "indulgence" manontolo ireo bazilika ireo, antsoina hoe alitaran'ny Papa, izay izy irery no afaka manao lamesa ao.
16 aprily 2023 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady faharoa fankalazana ny Paka — Taona A — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco