Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tokony hijeren'ny fitondrana malagasy vahaolana ao anatin'ny fitantanana ny SADC ny sosialim-bahoaka, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Vehivavy MFM... • Hisokatra ho an'ny besonimaro manomboka rahampitso ny toerana irasam-pirenena momba ny asa tanana “ENARA Galeria” etsy amin'ny Lac Iarivo. Nitokana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany... • Hanomboka hitatitra olona ny “téléphérique” ny sabotsy izao. Voafetra ihany anefa ny halaviran-dalana, fa mbola karazana fanazarana ny vahoaka aloha no atao amin'izao, hoy ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...
• Nanomboka andraony 12 aogositra ny fivorian'ireo Minisitry ny Raharaham-bahiny avy amin'ireo firenena mandrafitra ny SADC. Nitarika izany tetsy amin'ny CCI Ivato ny Lehiben'ny Diplomasia Malagasy, Rasata Rafaravavitafika... • Nanolotra fitaovana ahafahana manamafy ny asa fiarovana ny haren-dranomasina eto Madagasikara ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana, tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneraliny. Ezaka iraha-manana ny fiarovana ny fari-dranomasina, hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... • Nankalazaina androany ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora. “Hetsiky ny tanora ho an'ny tanjon'ny fandrosoana lovainjafy”, izay no lohahevitra nvoizina. Isan'ny nanamarika izany i Madagasikara...
Masina Maria no lohalaharana amin'ireo madinika sy mahantran'ny Tompo, izay matoky sy manantena famonjena avy aminy ; ary izy ihany koa ilay zanaka vavy an'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana sady nahatanterahan'ny fandaharana vaovao, fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona mba hanalany ny olombelona amin'ny fahotana.... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco