Ny tsena dia nosokajian'Andrianampoinimerina hoe lapa, laka fihaonan'ny olona maro. Maro ireo tanjona ara-piaraha-monina nokendrena tamin'ny tsena dia ny fifampifehezana, ny fampitoviana ny rehetra, ny fifandambinana, fandrindrana ny fiainan'ny fiaraha-monina, fifampivelomana, fampandrosoana. Nametraka fitsipika maro Andrianampoinimerina mikasika ny tsena, isan'ireny ny famoahany ny venty sy ny fitaovam-pamarana, fandrefesana, fandanjana. Tsy nisy ny fakàna haba sy sara tamin'ny vokatra namidy taloha fa taty amin'ny andro nidiran'ny vazaha vao nisy izany...
Ny fahamainana dia mivavaka anefa tsy mahita tsirony, tahaka ny nahazo ireo mpianatr'i Jesoa, revo tao anaty tori-maso sy tebiteby. Mila fifantohana tanteraka ny olona mivavaka iray mba handresena ny fahamainana. Tahaka ireo virijiny niomana tamin'ny solika raha niambina dia ny vavaka indray no solika entintsika kristianina miandry ny fiverenan'i Jesoa... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco