Tsy maintsy hajaina sy tandrovina eo amin'ny fiainana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy ny fahamendrehan'ny olombelona. Nandritry ny taon-jato mifandimby dia ny fahazavan'ny Evanjely hatrany no nentin'ny Eglizy nampiseho ny fitsipiky ny rariny sy ny hitsiny, na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny fiainam-piaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
---/... Ankalazaina isaky ny faha 5-n’ny volana Jona ny andro Maneran-tany ho an'ny Tontolo Iainana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1972. Anton’ny fankalazana moa ny mba hisarihana ny saina amin'ny toetry ny tontolo voajanahary maneran-tany ary indrindra indrindra ny hanasongadinana ireo olana ara-tontolo iainana vokatry ny nataontsika olombelona ihany.
Manana ny mampiavaka azy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny famokarana saonjo ao amin’ny Distrikan’Ankazobe ato amin’ny Faritra Analamanga, indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana. Velon-taraina nefa ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ity distrika ity fa nidina ambany tsy araka ny niheverana azy ny vidiny taorian’ny fandalovan’ny rivodoza teto amintsika tamin’ity taona ity.
Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco