♦ Manentana ny diosezy rehetra hanatanteraka ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny Fihaonana Nasionaly andiany faha-3 ho an'ny Ankizy ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy... ♦ Ny fitiavan'Andriamanitra no hery mampiova mandrisika hitory ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 29 marsa 2023... ♦ Antenaina hivoaka ny hôpitaly Gemelli ny sabotsy 1 aprily 2023 ny Papa François...
Fikambanana mitondra ny anjara birikiny amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny "Tsara Voatra". Andriamatoa Mamy Razanakolona no filohan'ny fikambanana. Tsy zoviana amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga amin'ny sehatr'asa fampandrosoana izay.
Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mila ampitaina sy hanabeazana ny olom-pirenena ny ara-moraly (éthique) sy ny fanajana ny fananana iombonana (biens communs) satria mariky ny fandrosoan'ny maha olona izany. Fitiavana sy hitsim-po no tokony ho entin'ny olom-pirenena mikolokolo ny fitiavan-tanindrazana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco